Raim-pianakaviana 72 taona hiakatra fampanoavana, anio. Namono nahafaty ny rahalahiny tao Anjanamahasoa, kaominin’Analakamisy Itenina, distrikan’i Vohibato, io lehilahy io, rehefa tsy voaisa sakafo taorian’ny fotoana nangalany kitay. Nanamparany ny hatezerany ilay zokiny lahy ka niafara tamin’ny famoizana aina.
Roa lahy mpangalatra vy amin’ireo “béton” amin’ny sisin-dalan’ny RN2 ao Toamasina, voasambotry ny mpitandro filaminana, afakomaly. Inian’izy roa lahy potehina ireo saron’ny lalandrano ahafahany maka ny vy.
Mpangalatr’omby iray lavon’ny zandarimaria eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale tao Ambohitrolomahitsy, ny 5 jona lasa teo. Telo lahy nitondra omby halatra nifampitifitra tamin’ny mpitandro filaminana. Maty ny iray tamin’ireo mpandroba.
Lehilahy tratran’ny polisy eo anivon’ny PPA Ilanivato nitondra rongony 1 kg sy 113 fonosana tao Ampangabe-Anjanakinifolo, ny alahadin’ny Pantekoty teo. Efa mpivarotra io rongony mihitsy ity tra-tehaka ity.