Raharimalala Léa: 50 taona nilalaovana volley

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny alalan’ny “Match de Gala”, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny ivon’ny ny fankalazana ny jobily faha-50 taona nilomanosan-dRaharimalala Léa tao anatin’ny taranja volley-ball. Nahafinaritra ny fiarahana nilalao tamin’ireo mpilalao fahiny, araka ny nambarany. Tratra ny tanjona tamin’ity fankalazana ity. Ny hampihaona ireo rehetra niaraka lehibe taminy teo amin’ity taranja ity. “Miha mivoatra ny volley, nisy ny fanatsarana ary mitady ny tanjona ambony kokoa”, hoy ny nambaran-dRaharimalala Léa, filohan’ny Federasionina malagasin’ny volley. Lesoka, hoy izy, ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa
sy ny fitaovana ara-panatanjahantena izay hanaovany antso avo amin’ny tomponandraikitra. Tsiahivina, nosokafana teny Ambohimanga ny fankalazana, tamin’ny fiandohan’ny taona, ary hofaranan amin’ny volana oktobra. Ny katitakely indray no hahazo vahana amin’io famaranana io.

Mi.Raz

Partager sur: