Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fanambarana nataon’i Rinjala Elihary, omaly, tao anaty tambajotran-tseraserany, nifindra klioba tao amin’ny FC Bulle, diviziona fahatelo any Suisse, izy. Tsiahivina fa tao amin’ny CS Chênois, izy teo aloha, ary manana ny lazany any Suisse amin’izao fotoana izao. Mpilalao tahaka itony, mendrika ho antsoina andrafitra ny ekipam-pirenena Barea. Hotontosaina […]

« CAN 2025 »: Hanala vela amin’ny Springboks ny Makis Ladies

Hifarana rahampitso alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, vehivavy (Can 2025) ao anatin’ny so­kajy “performance”. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra amin’ ity andro fahatelo ity ny fihaonan’ny Makis Ladies de Ma­dagascar sy ny Springboks Afrika Atsimo. Hanala vela amin-dry zareo Afrikanina ta­tsimo ny […]

“Women’s Serie” : Ratsy fanombohana ny Ankoay

Niaka-tsehatra voalohany, omaly, ny ekipa malagasy Ankoay, sokajy vehivavy, niatrika ny fifaninanana “Women’s Serie”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana tontosaina any Viennes. Ratsy fanombohana ny Malagasy raha ny voka-dalao, omaly. Resin’ny CS Rapid Bucharest tamin’ny isa 21 no ho 8 ny Ankoay, nahitana an’i Muriel, Sydonnie, Christiane ary i Chine. Tsiahivina, […]

“Cosafa 2025” : Hiady ny medaly alimo sisa ny Barea de Madagascar

Nahintsan’i Angola teo amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny “Cosafa 2025”, atao any Afrika Atsimo, ny Barea. Lavo tamin’ny isa 4 no ho 1. Tsy nahovoka! Resy 4 no ho 1 teo anatrehan’i An­gola, ny Barea de Mada­gascar, nandritra ny lalao manasa-dalan’ny “Cosa­fa 2025”, taranja baolina kitra, izay notontosaina tao amin’ny Kianja Toyata […]

SOMBIM-BAOVAO

Mbola lany fanindroany ho filoha lefitry ny Federasionina iraisam-pirenena, taranja judo indray, Randrianasoloniaiko Siteny. Fifidianana notanterahina tany Budapest, ny alarobia lasa teo, nandritra ny “Congrès ordinaire ” teo anivon’ny IJF. Niatrika izany ihany koa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny judo, i Said Eric Bruno. Hotanterahina ny 12 hatramin’ny 20 jolay izao, […]