Zazalahy hita faty tao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Imerintsiatosika, ny zoma 13 jona teo, tamin’ny 11 ora atoandro. Nifampitadiavan’ny fianakaviany io zazalahy vao 4 taona monja io. Ny vatana mangatsiakany hany sisa hita. Zava-mahadomelina 39 kg saron’ny zandary tao amin’ny distrikan’i Vangaindrano, afakomaly. Natao ny fikarohana ireo olon-dratsy nitatitra io […]
Tselatra
TSELATRA
Zazakely iray voatsatoka tamin’ny hety napetraka tamin’ny sisin-dalana, teny Ambohimalaza, omaly. Nahita sy nitondra azy tany amin’ny CSB Ambohimalaza ny raim-pianakaviana sendra nandalo. Nodidina teny anivon’ny hopitaly HJRA izy avy eo. Saika hovonoina ho faty io zaza io ka notsatohana tamin’ny hety. Lasa nitsoaka ilay nahavanon-doza ary navelany teo ilay […]
TSELATRA
Taksiborosy sy sarety nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao Ambohimandroso, omaly maraina. Omby efatra maty. Simba tanteraka ny lohan’ny fiara tra-doza sy ny sarety. Efa-dahy namono olona voasambotry ny zandary tao Amboanara, kaominina Nosy Be Hell Ville, afakomaly. Nokarohina taorian’ny tranga vonoan’olona nahatsiravina, ny sabotsy 7 jona teo, ireo olon-dratsy […]
TSELATRA
Kilan’ny afo ny tranon’ny Pretra ao Alarobia Ambatomanga, omaly vao mangiran-dratsy. Fifampikasohan’ny herinaratra no niandohan’ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. May avokoa ny efitra rehetra tao amin’ilay trano misy rihana. Mitohy ny fikarohana ilay lehilahy nanolana sady namono ny sakaizany tao Ambatovato, fokontany Antsikafoka, kaominin’i Mahambo, distrikan’i Fenerive Atsinanana. Notsatotsatohan’io lehilahy […]
TSELATRA
Raim-pianakaviana 72 taona hiakatra fampanoavana, anio. Namono nahafaty ny rahalahiny tao Anjanamahasoa, kaominin’Analakamisy Itenina, distrikan’i Vohibato, io lehilahy io, rehefa tsy voaisa sakafo taorian’ny fotoana nangalany kitay. Nanamparany ny hatezerany ilay zokiny lahy ka niafara tamin’ny famoizana aina. Roa lahy mpangalatra vy amin’ireo “béton” amin’ny sisin-dalan’ny RN2 ao Toamasina, voasambotry […]